Andininy
Protestanta Malagasy
14
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa hianareo ka tsy mankatô ireo didy rehetra ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82746057-80FC-431E-98AB-89173B6334AD
15
ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E2220AE-1CC4-4A29-AEAB-DF875148BDFD
16
Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Abo, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C851E39-B683-4A74-940F-FBD3F5401E0A
17
Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonarco hianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra hianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E38A19-373C-4251-96D1-949A0B148F4F
18
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany hianareo amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7732F7C0-6EB6-4707-8096-E8FCB18342F0
19
Ary horavako ny reharehan'ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4E7E8CE-F268-4CFD-A89B-BD7B8A3EC09A
20
fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01FB7224-136D-4262-BC64-B686C1A9B634
21
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany hianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa hianareo araka ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8993C34-0DE8-403C-9248-0DB349BA1135
22
Ary hampandehaniko eo aminaneo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny làlambenareo ho tonga efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFFD38CC-75BF-4201-B31A-CD49BC6C0102
23
Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|206EA581-42A1-4435-B3CC-8955A8998B20
24
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8DE36F-6444-4589-BD4B-8E3DB11FA2D6
25
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo hianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D8042CB-B81D-4BC8-86A4-8439170AD89D
26
Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary andanjany no hizarany azy, dia hihinana hianareo, fa tsy ho voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F68774F9-07D7-46E2-B000-66D78ECED3C0
27
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F220D0-07E8-4059-8A7A-9FB27B10BB0E
28
dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF49EAF5-CA54-4E1D-897B-157B2E122619
29
Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C30F55C4-6784-4DDC-A495-0B9CDD8BC432
30
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED2A78A-90F0-4887-8A63-DEB87E4DC553
31
Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51C71190-719A-4DA3-84FA-1D0D10587C3C
32
Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CA48318-3368-4252-85A6-19DBFB9D56D4
33
Ary hianareo dia haeliko any amin'ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C12550A5-3CE5-44B9-A51F-50C7FB845FF9
34
Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo hianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7BBB443-BBEC-4789-8322-102003060C9F
35
amin'ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny sabatanareo, raha mbola nonina teo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381E55E0-4082-4FDC-8359-7C29E4726BA9
36
Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ACC9255-C3DA-4948-AE03-740D1994CA0D
37
Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan'ny fahavalonaneo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B1F093-EF96-4050-904C-C7822468D6B7
38
Any dia ho lany ringana any amin'ny jentilisa hianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B7C1D36-4B8B-491B-96F7-3821FD6C3BD4
39
Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonaneo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4179084-E024-4CFE-96F6-48F6DD5D3096
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany