Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany hianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa hianareo araka ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8993C34-0DE8-403C-9248-0DB349BA1135
22
Ary hampandehaniko eo aminaneo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny làlambenareo ho tonga efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFFD38CC-75BF-4201-B31A-CD49BC6C0102
23
Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|206EA581-42A1-4435-B3CC-8955A8998B20
24
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8DE36F-6444-4589-BD4B-8E3DB11FA2D6
25
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo hianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D8042CB-B81D-4BC8-86A4-8439170AD89D
26
Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary andanjany no hizarany azy, dia hihinana hianareo, fa tsy ho voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F68774F9-07D7-46E2-B000-66D78ECED3C0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany