Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CE14F54-5768-4527-B57A-F98A9EA77233
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB7B0838-F275-4B21-8FD3-3EE5D9F705B7
3
raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A123D97-8D78-4E68-9B97-BCBFE1B6E370
4
Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'onibilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFA5D1CD-2D11-437E-B7EB-05EA4076DA4A
5
Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9F17A70-6075-43CA-ACAF-3E3860C5AA5F
6
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny ra, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18435BD9-3D81-412D-B46A-9A82E08E14C0
7
ary hotentenan'ny mpisorona ra ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombulahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C00E9D04-F789-4E42-8FA1-39F40E49D3E7
8
Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'n vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saborantsinainy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA7747C7-6149-4FB0-A2FF-E22163D2C25B
9
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9653121A-F19B-464A-A627-B07BF54CA0F0
10
tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8277A24A-796C-43F3-8FB7-5924B940B307
11
Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50BAE783-D7A9-4A28-868E-60CD53884754
12
dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|486AA64F-A4D5-4135-B268-48D68CE89D1D
13
Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0532B96-D420-40EB-9FA1-0FCA1E07CC07
14
rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'onabilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FC0321C-450E-4AE6-9747-E293ADB9C629
15
Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD46CD70-6AB3-457A-BE40-261666D7B83D
16
Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C2D4AA7-FA05-410B-96CF-0AEE46B3E077
17
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny ra, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCC5884D-CD0B-4E92-903D-91C9DE92DB25
18
Ary hangalany koa ny ra ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|285862B9-4516-4F47-82A2-38C2B7BCDB22
19
Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7027357-7314-4748-8416-7F9C2460D592
20
Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22DA3C66-9579-4BA9-8374-A9E95246C2F7
21
Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D684203C-4310-444A-8AE2-5793E5F8457A
22
Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6B93BA6-F888-477C-AAC2-EE19BC8D9A7F
23
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C58E0090-9B18-4311-B16E-708A5A42AE8A
24
ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BEB1755-91CB-4A8D-8AFE-B9B9B1C45DC4
25
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny ra sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEBF294D-6D26-4D03-93C0-7A360F6FA283
26
ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony. 4:27 Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98E2D044-2586-4D46-B08C-F0E231EB95C9
28
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FE745D4-764B-4447-8EB2-51C40307D075
29
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6625A6F-E448-4928-B641-F8A3C2968303
30
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ra ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1914FA26-4BA5-4D32-89CA-F55F5E9456C2
31
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|451C0CAB-8025-4826-A933-ED92B324278B
32
Ary raha zanak'ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny; 4:33 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F59218-A687-4A0D-BC5C-4EA7D6D69B55
34
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FA90AE9-9486-4555-AD9F-91C9EB5803AF
35
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744979DE-F974-42A9-87DE-A1AB66BBE044
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany