Andininy
Protestanta Malagasy
14
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E30460-B7A5-4ED7-892E-32E24DE2D0B7
15
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|848E2B81-AA59-4EE9-8CE3-2BF459CED21B
16
Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39BD5E50-7494-4931-A5A8-7251ED48D11B
17
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68D50A80-ADE7-451A-B0BC-B2CFECAF9459
18
dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9292F42-2776-4BB1-9300-520C05151586
19
dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C39CA6A9-31A5-4CD7-8C6B-1172699ED026
20
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62A941DF-6BB2-43C7-ABDA-CB71382EBA63
21
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatôka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD289492-E4DF-4DCF-A2C8-C6759148EAE0
22
na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy to ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF09397-2152-449B-9511-4874CFCA418A
23
satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy ankeriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A018A328-F87E-43A9-AC8B-D2EB9333B8F5
24
na izay rehetra nianianany tsy to; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9241BF6-9DA1-4198-8589-1DAB791935DF
25
Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|002CE227-D806-445D-BB15-9FAE0B200C1E
26
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|949D884E-AB83-417D-9066-0FC2B7ED30A6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany