Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamm'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D773B3-40F3-4A2A-ADF0-2D0F7F0044B6
2
Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DDD2844-1954-4EF2-BD64-EFC8E263344D
3
Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|468AA26C-BE52-491C-9CB3-9AC3EBB192D3
4
Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E863AA03-DFC3-4D3B-A780-5D3747672BDE
5
Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94102A91-594A-4E29-8C60-0D78C80235C4
6
Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBF18D9A-7AD9-486B-83D3-2744550D5BFB
7
Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FBB203-4A34-45A5-B2AA-B66D2CC2220E
8
Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65883F25-532E-43AB-B127-83D47E380C5B
9
Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBD295D2-812E-44F0-831A-1F9DAD65D1D5
10
Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE5A1882-32EB-432D-B676-DEA848738B84
11
Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C14DD3E-A1CB-4252-8376-749D4558E11C
12
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733EA73C-6A47-4DCB-8BB8-5AE151F38FD6
13
Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan-andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C5BB6B8-29D5-422F-A312-4093E665DA32
14
Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48A6A91D-326F-4B0F-855C-37DA96F1E5CF
15
Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A7AC97-ED0B-49DA-B2C0-B86191185E8F
16
fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2552E7E-6B6C-41AD-BBA3-E3AD07132857
17
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BFE3FF1-1574-4230-9BB0-B91E82776979
18
Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|700A98C0-FE36-433E-BBD5-E689EC2B1D54
19
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|263D6559-1BB2-4626-8E18-D0BD40DE6354
20
Ho masina izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny rany, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23802F8-582C-4088-B1E4-C581A43CAF1E
21
Ary nv vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasandrano izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F9E3EE0-5A54-4247-838D-D56C73D66072
22
Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F65940E9-7905-42B8-B7C1-209AF9C7D78A
23
Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-dra ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD3EB6EC-BB27-415B-ABD9-3F9220B1EBDC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany