Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamm'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D773B3-40F3-4A2A-ADF0-2D0F7F0044B6
2
Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DDD2844-1954-4EF2-BD64-EFC8E263344D
3
Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|468AA26C-BE52-491C-9CB3-9AC3EBB192D3
4
Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E863AA03-DFC3-4D3B-A780-5D3747672BDE
5
Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94102A91-594A-4E29-8C60-0D78C80235C4
6
Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBF18D9A-7AD9-486B-83D3-2744550D5BFB
7
Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FBB203-4A34-45A5-B2AA-B66D2CC2220E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany