Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|064A494D-3467-467A-961B-46839F940F88
2
Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|896931E7-E670-41A2-A634-B787A910C08A
3
Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CBC1C55-F382-4701-973E-C0082DA5F623
4
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F62B31E-4995-4072-91DE-3F63FCE6A47F
5
Ary hoy Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B15171-3FB7-443C-A7BD-F4A2E4D45D23
6
Ary Arona sy ny zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72C1B8D8-CB0F-4E9B-A03A-825041B482A1
7
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FACEA082-3B0A-48F6-A475-1B760BE71AFD
8
Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD472B1D-FEEF-41BC-96BD-6DB14F24242A
9
Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A5820A1-BA43-4BE1-91E7-B4BA73CC92B7
10
Ary nalain'i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC711062-B89A-4CAF-945D-D1AE60874551
11
Dia mamafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BAF4D16-49A4-49DB-8F42-BC0734543E42
12
Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67A11847-061C-4167-A0E4-53BE0F3A2501
13
Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38BFCFBB-D605-49DE-9393-E901C166C322
14
Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C432E1B6-9730-4329-A153-27E88069DF16
15
Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny ra, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny ra sisa dia naidiny teo ambodin'my alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2942F8AA-52E6-4D8F-8CD8-9D3FBB44A7A1
16
Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny Iehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E59B0510-C3AC-4269-A5E2-67BF9A46DD68
17
Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153867AB-9085-4F91-BD70-A8FB2141D371
18
Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE89F6DF-E12E-4865-A78B-9CE11EA6DE69
19
Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny ra manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EBC46EF-9B72-4277-9CD2-79CE6DD22015
20
Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7C74910-E0C7-4814-8712-B0E4DFEAA2DB
21
Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'my rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambomin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D0068CA-7D3C-41E0-A003-DE369E143840
22
Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6562F816-081B-4C59-B22D-9E76AB545F22
23
Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny ra ka, natentiny teo amin'ny temdron'ny ravintsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|231E5FD9-4CE7-475C-BFFA-3CEBDE0CC885
24
Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny ra ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny ra sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|997D6A07-F49C-4090-975E-B2E17B69F183
25
Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E41653-5FE2-4CE1-A436-83C5B8EAABB4
26
Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6B81C7B-E310-4A62-90B4-E9D841678A27
27
Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|054C8AC1-6C51-47DF-897D-0F42A8BAAC75
28
Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EACC68BF-3A2A-4502-AD3B-228CE98DE829
29
Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3C736A2-D7F6-4D90-8242-C4240998C950
30
Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny ra izay teo ambonin'ny ailtara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|651B02F6-9949-46AE-AEB8-FBC83E7AD18D
31
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCC509AE-9C86-41F4-BBF5-DD6FD7B33D47
32
Ary izay sisa amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|731029D1-DE0F-4F66-8816-17D7007E71EB
33
Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana hianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7783AF0-06FB-46A5-84FE-C2BBCDDDD350
34
Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21D66B2A-E7C9-4FA4-8A18-CCDD1CDC91D6
35
Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman-alina hianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93FCA33C-C305-4D97-B32F-058C7EA5D0C2
36
Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE98DECD-D9AB-47BC-BFE6-42C21CCCD0AB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany