Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary dia nitaraim-pahoriana[Na: nanao fitarainan-dratsy.] teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A78D342-BC20-47EF-A4D0-663559AC8035
2
Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D28DF27F-32DB-4F6D-A1BF-6EFDC8B5F831
3
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera,[Tabera = Fandoroana.] satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B1DF69B-8AB9-4EC1-A684-66884D40B9CC
4
Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7677250-B596-4FA5-BF3F-4CFFAC0D81CB
5
Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaimpoana tany Egypta mbamin'ny voatango[ Voantango roa karazana no lazain'ny teny Hebreo, dia ny voantango sy ny voantangom-bazaha. ] sy tongolo[ Tongolo telo karazana no lazain'ny teny Hebreo, dia ny tongolo pora (Allium porrum) sy ny tongolom-bazaha ary ny tongolo Malagasy. ] samy hafa karazana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B58623B2-93C0-4FEE-A9F0-6BC23B4413C4
6
Fa izao dia maina ny ainay : tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2D601F1-A1B5-4986-B87F-E238AD39E253
7
Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50BFC0FF-9FEF-4D5C-963E-B478C2B9E809
8
Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|382CE558-DD29-4F6F-85EE-B3C254C534B2
9
Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E6797D-21BC-4B5F-B5EC-C3F95727E3E8
10
Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48FAC9CD-32D8-4F31-949B-A899586A3125
11
Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|747DE622-81DD-4165-AD74-A96F93502DE0
12
Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy -- tahaka ny ray mpitaiza ny zaza minono -- ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63D17CA3-0A39-41EC-8EA5-E848801F37CC
13
Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC626BD6-9E98-4E84-AA3C-1E29E0419ECC
14
Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena ity, fa mavesatra amiko loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2DA3927-4D30-4E14-9987-049C403D4744
15
Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49C97EA4-113C-4FC3-8EF7-35264EF6B7A1
16
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangôna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho ety amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy ny mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3BA17A3-AC12-4B10-B145-F6345D606078
17
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy hianao irery intsony no hitondra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C42D8455-2BE7-49FA-B63B-67E4D838A9D9
18
Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena hianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah hianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena hianareo, ka hohaninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE6C8401-7638-49F9-A09F-B8F202AD9AFA
19
Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63A44FF5-F5D7-4650-B410-9F2DB9E0C61B
20
fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany hianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD879044-9DC8-446C-8FCE-E01B08EB497B
21
Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia làlana; ary hoy Hianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ABCD85B-BEE1-4017-BD67-042AD007FF55
22
Moa ondry aman-osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B423C210-12D4-4423-80B6-5A29B5E92E5B
23
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAF10AA6-D5D6-4CB5-818C-8667DF3408DB
24
Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1822098E-7C5B-4EF7-B54C-DB7C6C9FCAD0
25
Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy Izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0723E1BF-4B31-4EAC-B66B-8EB93C73F5ED
26
Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A37A664-A874-4EB4-A85E-5D498C40B739
27
Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3202759A-C4CF-41E1-A2C1-7574209B33B4
28
Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora,[Na: anankiray tamin'ny zatovony.] ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F80D591C-7A22-4033-BFFE-CBCFCC7CE8E5
29
Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53E7C804-8751-4AE3-8683-2C1681A12C30
30
Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E98B742-065E-48A8-BFCB-3D52F681E6CA
31
Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho làlana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597651EC-5FC9-42AC-8DEA-FDFDF632C966
32
Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED7C4842-9260-49A0-B089-124703540F9F
33
Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olona tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF517073-FC90-4A25-842C-767489CA5629
34
Ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava,[Kibrota-hatava = Fasam-paniriana.] satria teo no nandevenana ny olona izay liana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EF9E6F8-4D47-4FCB-B755-3E7ECEF54DA7
35
Ary niala tao Kibrota-hatava[Kibrota-hatava = Fasam-paniriana.] ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4B68819-FD5D-4D4A-92C3-E15300F7949B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany