Andininy
Protestanta Malagasy
24
Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1822098E-7C5B-4EF7-B54C-DB7C6C9FCAD0
25
Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy Izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0723E1BF-4B31-4EAC-B66B-8EB93C73F5ED
26
Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A37A664-A874-4EB4-A85E-5D498C40B739
27
Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3202759A-C4CF-41E1-A2C1-7574209B33B4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany