Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D43486-5DA9-49EE-A8B1-C62410D93360
2
Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4730BB2-135B-42B3-B7B5-62FB72E57E1F
3
Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67B1A47-1438-4C8D-A470-4E106140D3CF
4
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha hianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D4F91A-7ED9-4F5E-983B-83B9EBAD8262
5
Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, dia nivoaka izy mianadahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52461F49-2A5C-41FE-AD43-235014D89A50
6
Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B12705C-A14D-4BD4-8F89-53A0310987B8
7
Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DB7B330-FC33-45DC-8D7B-207A03215252
8
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana hianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E81948-D2F5-41E1-A714-9F79947E8388
9
Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2894DDC-7E43-44F1-8A76-ACEA96DB53A0
10
Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B937DAF0-904F-4D5D-B530-86EA2EF16AEB
11
Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna hianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E2B027-393E-437E-A946-A1C48B5EE124
12
Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F6AE67A-8695-47C4-8163-A8834C0DD53E
13
Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62B6E4A5-EE31-400B-A7B5-637BFBD9EC70
14
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3872A19A-5628-4126-A5BF-DE46C5AD17DE
15
Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FBB43B4-3A99-4E11-891C-738D32C8CEF4
16
Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130D95FD-EEEF-4941-8343-5292FC09BC54
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany