Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00A27E1E-9804-439F-BC4F-535D5192DDA7
2
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy: Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty taty amin'ity efitra ity!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52618E2D-F6FB-4AAD-A6F2-CC23547B8A37
3
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E966708-7E8D-429F-9D61-F747579703AB
4
Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|044AA208-0517-4D07-9013-04B1B1E0D201
5
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EABB4F4-548A-434B-ABD8-1FACE25B27A6
6
Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E2DC658-678A-4342-A9EA-FE23F33F8D63
7
ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ECCC0D9-5893-4500-9697-88681319E362
8
Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B06EDFE2-4AB8-42DB-91D7-4020982ABDA7
9
Fa aza miodina amin'i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE13201-585B-441B-895A-2298A10E8850
10
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9E6245A-3E4E-4A15-971D-BC1D687E3ACA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany