Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00A27E1E-9804-439F-BC4F-535D5192DDA7
2
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy: Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty taty amin'ity efitra ity!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52618E2D-F6FB-4AAD-A6F2-CC23547B8A37
3
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E966708-7E8D-429F-9D61-F747579703AB
4
Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|044AA208-0517-4D07-9013-04B1B1E0D201
5
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EABB4F4-548A-434B-ABD8-1FACE25B27A6
6
Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E2DC658-678A-4342-A9EA-FE23F33F8D63
7
ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ECCC0D9-5893-4500-9697-88681319E362
8
Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B06EDFE2-4AB8-42DB-91D7-4020982ABDA7
9
Fa aza miodina amin'i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE13201-585B-441B-895A-2298A10E8850
10
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9E6245A-3E4E-4A15-971D-BC1D687E3ACA
11
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B60641-DCA9-490A-939A-29C6DC8206B9
12
Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BFDBEDA-38E7-4610-915B-F4BB20A0E068
13
Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DD3CEC9-C2DA-4436-9CE2-AF745EF27138
14
ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; fa efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3516432-B0CA-48F0-9A85-98CAEB7986CA
15
Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny amin'ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D1310CE-FA7B-4CA0-B1B1-1256F7242016
16
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6169585-0DFB-43CA-BE8E-C247A22882E6
17
Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64BD9D8E-91C5-4E89-9E91-564291B093D4
18
Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafin-dohalika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B650FF-A867-4E62-8AD3-4B416C54BAA0
19
Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindramponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B389F66-4227-4D70-90DB-E60CCD4097BC
20
Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|723A5B59-4760-4B65-9063-3C8F52733AB4
21
Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88BD2478-6E24-4F39-9F21-F655A961F089
22
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao impolo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E4395C-6E71-42F7-B39C-6E83E02BC951
23
dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66E9A16B-58C6-4F3E-B8C1-48079AA3F53D
24
Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD748335-F982-4C7A-8275-99CD359AAA71
25
Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena hianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny làlana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA948BCA-A18B-47B4-A9F0-45DF6478B7E9
26
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|516BD8F5-EAF0-4ED4-B90B-C80E3AFFB7A9
27
Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1F40EFF-76A7-4B43-A66E-4D20D920DF47
28
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D95FBC4-D587-4C9C-B837-7C8F8B074DF9
29
Ety amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary hianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2B05313-0B38-4AFC-8DA5-ABF0B11BF461
30
dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tànana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E197545-67E6-49BB-B780-10990F8DA690
31
Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|118C4784-9E32-4080-9BC7-B9B006AE25B9
32
Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A568FFC6-5AE6-438F-93B7-184EBC1CE9C2
33
ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry aty an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra aty an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F49C3FD4-FC81-4B42-B734-0C6B31664A75
34
Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, -- ka ny andro iray hosoloana taona iray -- no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEAEE7C9-4B97-437B-BD18-EF233A2EDEA4
35
Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; ety amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary ety no hahafatesany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3A7F77F-0D6B-4222-B221-5C2E5AAC1466
36
Ary ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6820548-6943-40F0-B250-D6D78F0B7EE9
37
dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5D07E97-5B65-4F53-BAA8-CACFD9645E3F
38
Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80431409-A5FC-4B97-A19D-A8438FA4B6AA
39
Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra tery ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3612630F-46A8-435E-96DC-554439089370
40
Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|482E7CC6-E978-4112-A40A-E0A466AAB9E9
41
Dia hoy Mosesy: Nahoana no mbola mandika ny didin'i Jehovah hianareo? fa tsy hambinina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4678B45-52C5-401A-A71B-31086CAC8A8B
42
Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D05765FF-2B6F-42DA-928D-6BB7001724F5
43
fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo hianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra hianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah hianareo, dia tsy homba anareo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C0E28F1-4A95-4F52-B3A6-A7E878AFF839
44
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB539B1E-4B55-4A1B-BD82-34F1DD7CA07B
45
Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDE01614-6FCF-4303-8E99-9F263A02E510
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany