Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F5A7378-E2B1-4B8C-BE8B-279F346031BB
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo hianareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B0F1915-456F-479F-B45D-BA8A8A13E6CB
3
ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman-osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-dra hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D263E90-4977-4A8F-9605-66448744E52C
4
izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|368DAF28-0552-4F34-B3B8-6D9A9EC53665
5
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-dra, amin'ny isan-janak'ondry iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D9F0242-850E-49D5-8164-A264F5C525B3
6
Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|866B0D8A-C7EC-42E8-B652-B5CE4835B6D2
7
ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|664FAFA7-00EF-4143-8534-E4ECB068259A
8
Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-dra hianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|740E03B5-7907-45F9-BB68-06B6EBA11CFB
9
dia ho fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74395DB8-3A82-4ECE-B529-02D2936064B9
10
ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25DC33A9-2954-44E4-B5F0-E2D53FD1AF1E
11
Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C812493A-B2F7-44CA-B899-6F7A451AC5F2
12
Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5DBCC2B-50C4-4602-81AC-6B66292E4A39
13
Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEDCFE62-C51C-4E91-BECD-04B6D20B81D5
14
Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E8A889-9543-4484-90AF-1B42944882FB
15
Ary ny amin'ny fiangonana, dia[Na: Ry fiangonana.] lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na hianareo na ny vahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|825D5E80-3E98-4CC3-BEAA-FD3B084A6351
16
Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34CE4F28-1951-422A-84C6-ED8245B9186F
17
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A59752C1-20E7-465D-84DC-28E11284EBA8
18
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo hianareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|967BF893-3154-42B5-BFD7-9CE1B71BA02B
19
ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay[Na: hanatitra fanatitra asandratra.] ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9842340B-DBF8-43A4-BD12-78E99A6A4F0D
20
Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta hianareo ; tahaka izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|379AEBA5-BBDE-4338-925D-1536860FA6D3
21
Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6C826B-FE71-4C99-8E90-6013FA579D11
22
Ary raha manota tsy nahy hianareo ka tsy mankatô ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F868A775-9759-488F-AE02-B867915532F4
23
dia izay rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EA125B4-E537-4464-83C7-0B783DC2728A
24
koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|045F901A-84A4-4CD6-B9F5-A9586366FA5A
25
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5DA5774-D76C-4E1D-8898-E87EA21453B4
26
Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C102C67-CDAD-4C91-87A8-895FD64B8D95
27
Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] izy ho fanatitra noho ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9BE1D5-C7A2-41BE-8767-6D4761B67EAD
28
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69CF2C8E-9797-482A-85B0-BAE576DC7DB8
29
Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06B490E4-3C7F-4197-9D55-07D533E32071
30
Fa ny olona izay manota sahisahy[Heb. amin'ny tànana asandratra.] kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0901155-910A-4E0D-A178-934426C365AD
31
Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE8B0E06-3B81-4718-9B1D-FEB2BEBAEFE4
32
Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DFEFA7E-9C3B-4F66-BC9B-94243165B484
33
Ary izany nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30C7E795-23DD-4C75-B8EE-0B10B924DF30
34
Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F1ABE5-C8FD-41AB-B471-4FC6D0CCBBA3
35
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A99FF400-0ACD-4707-9239-F7B9FA312FD2
36
Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, -- dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|872C5BE2-B87D-4D9A-89C0-19EA06FC45B8
37
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A827411A-3967-4579-BEB5-8B24E21AD5CE
38
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98629F44-E482-4BE4-B25F-E69BE618E051
39
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo hianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7C79DC7-9B6A-49E0-A729-2664AF66866B
40
mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C772EF4-67B8-4C01-B296-E467010DE4B1
41
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C914F4C8-A7A2-4A21-8A5E-95A721BF1019
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany