Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7744D9C3-215C-4D4E-87BA-2AD7450E3DCB
2
Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran-afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E067217-14E3-441B-8CC4-540E9021A795
3
ary ny fitondran-afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F70434C-D03C-49FC-B1D3-7A8DA95CDD68
4
Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran-afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFDE6E6A-FF4A-4F98-8D7C-252EE0770B21
5
ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany[Heb. fiangonany.] izy, -- dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|516AD209-872B-4496-AE04-EB4FD687A6C0
6
Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB1E4D05-F9E6-4825-9DBA-25DC5516C850
7
Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA46347D-0C5A-415B-90BE-E29EB6509426
8
Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16AA70FD-136B-451C-94CE-C0BF94330B77
9
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21B9D634-B8F4-414A-8188-6E2A2EA242C3
10
Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipì-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D16D9F38-1444-4B61-89BA-654C588E58EC
11
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran-afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27CD7747-E58C-457E-8ADE-0008D606A15E
12
Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85AD25DB-FA3F-4795-9DD4-A01DB80FF049
13
Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B7535A3-3B58-475D-ABBA-8BCCAE7940AA
14
Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94EE6CA4-8793-4D0C-85A8-B191E59AC22B
15
Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D62EEC5-583C-4B18-99E8-A046466E8B53
16
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DC36175-8336-4895-B0FA-8A7261A41FB0
17
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33C8A389-35FF-437C-9372-F3BBE399680A
18
Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF0BCF71-7DED-418F-91A5-18CF245B979C
19
Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona,[ Dia ny Didy Folo ] izay ihaonako aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDAC286D-A4A4-4EFF-A426-E53A14A8CCF4
20
Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E903996-F271-4619-9AE1-1DC630582D09
21
Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE71BCDE-FC33-46E2-B482-5C13909AF7E7
22
Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona[ Dia ny Didy Folo ] ireo tehina ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E902CD0-751F-4DEC-A7EE-9103729C477D
23
Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona[ Dia ny Didy Folo ] Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B95CB3-F451-46EE-99F2-970D900CAFB3
24
Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48828509-6CCA-4994-A326-E79B5C9B0B97
25
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona,[ Dia ny Didy Folo ] hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AC47125-DABE-4C09-AEEC-24522F928DE9
26
Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEEF9446-8C55-48DE-A3BE-C111370EA41B
27
Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DBA0C52-70D6-4236-892C-694FDAF7641E
28
Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FEDB30-CF4A-4634-8D9E-C023A9F2D78D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany