Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny volana voalohany dia tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F67A94-5D08-4FF9-8B7E-FFECD236158B
2
Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D96611-4DF4-4860-9855-2A314FBF683E
3
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E1DCA2F-3122-4DB0-AA43-15E444EA7B4C
4
Fa nahoana no nitondra ity fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152B33CB-1DE3-4021-B142-B4582DD15DB6
5
Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta hianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akora, sady tsy misy rano hosotroina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77EE852-C5DA-42BB-AB2F-8EE596611EA4
6
Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|985156AE-1240-47F9-831C-28725529E274
7
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E841AD5-072A-4E92-B5AC-5730CEE0B95C
8
Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy hianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E610642-28B8-4322-AD01-A7D9F46D8158
9
Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F1D63B5-9BDC-40C6-91C8-0D88A24C1F0C
10
Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahany rano ho anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C78C7908-A786-4797-875F-2D4246350C01
11
Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE568D95-E11C-4EB6-9BBA-D8E623EDB9DB
12
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy hianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0147382-9DA8-483C-B68E-0E8157E4FBBD
13
Ity no ranon'i Meriba,[Meriba = Ady.] izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED14A8A0-DBA2-4331-9113-0C3EABE0228A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany