Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0BADBB6-1E89-4606-8859-CE344A0CF9EE
2
Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|278F8CCC-E06F-4FCA-BC10-92A97FD90A35
3
Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7730DED6-2029-4DC1-AB66-431CFFF49D68
4
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantôny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBDB43A7-C7C3-4410-AAFB-4FAAA748041F
5
Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia hianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|137284CB-9ACF-470D-9CF6-4BAF793CD357
6
Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CFB2B16-B262-4B7B-96F8-7BE5123CB92D
7
Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96C41BD1-56E7-425D-8F9F-06378A2B3AFD
8
dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3EF95E8-EA9D-4A07-9A54-7D74D71CF381
9
Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FD5C58D-A81A-4C43-80DF-282929FFE4F7
10
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31ADA378-E0B5-407B-972A-7B20E3879B65
11
Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha nirehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|911699F7-F7E1-4C08-8022-A406FA60A2E8
12
Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC12CABC-CE50-444F-8285-AFC5A1676D19
13
ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF703006-11FD-450F-BCD4-3CED97AEBB5B
14
Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak'i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BABDD08-C892-4ACE-B1CC-0BB650AAD353
15
Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|071831E3-2807-4136-8095-7648A434C3D7
16
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E0EF89D-AFEA-4421-94AF-9AE3F73FEEDD
17
Rafeso ny Midianita, ka iadio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|086C60E2-10D6-4D05-89D2-5A26B7ADDE55
18
fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C27BCAA-31C4-436F-B0BF-C809D0553253
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany