Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0F74DF9-703B-4CB5-A713-ABC1C35D1517
2
Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C0006FC-C599-4396-90C3-8FE4194414DA
3
Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5150BC57-21F1-4E09-AA7D-1AAFB8987F5C
4
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB721A0E-47BC-449C-8146-990F48BF4897
5
Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna hianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E22994-0EA2-461B-AA52-D89F7C177FF9
6
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|646843C6-3176-477A-9D21-10D96F82BF56
7
Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EFC301C-E469-4F2A-B3E8-CDFEB56D3693
8
Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|200509F5-476E-460F-82BF-82A89882AA6C
9
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19247DBF-8698-4BA8-B390-3DB9B17AB4C6
10
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana hianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB7DC8D8-5B55-42E0-A0F0-5BBE7AE37F4B
11
dia hifidy tanàna hianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF7A3BB5-820A-4147-A8E5-0E6650326358
12
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly ra[Heb. goel.] izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96C7A887-06D7-471B-860F-2E41AEC4EB56
13
Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49D8B242-A2D0-4939-BB6B-BFE75C2B7FBC
14
Ny tanàna telo dia homenareo ety an-dafin'i Jordana ety, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30B39A23-A66B-4404-B87B-435E897B549E
15
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC262F66-466E-46C7-8922-A3CD5510B6F2
16
Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC9A91B3-BCA0-4847-9FE5-3B4356C68FFE
17
Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F079F7A6-6FA5-479E-A348-4E2E106FF072
18
Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD41E959-DF92-4347-A7BB-F627AAA83EEC
19
Ny mpamaly ra[Heb. goel.] no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7149BAEB-C186-4578-BB4D-1CCDE6ED2055
20
Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A8E8A1B-D082-4D02-9002-A4213AD781C1
21
na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly ra[Heb. goel.] no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85632183-FEDA-4348-AA63-2970C3480E87
22
Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC40D6E-128A-48BD-B5D3-EE4697539C85
23
na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE59B18-CD32-4F2B-82C2-0253BC281E61
24
dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly ra[Heb. goel.] araka izany lalàna izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ABB1DEC-C16A-4A9D-BA25-8CC2134E016C
25
Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly ra[Heb. goel.] ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany izy tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D4D82FA-153B-4F85-AEFD-0E1E90A87951
26
Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02D253E8-99C2-48D8-9E4F-E48664AFBD34
27
ka hitan'ny mpamaly ra[Heb. goel.] eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-dra amin'izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|356CE7FA-A9A5-4DC8-AE7D-DBBC4A0E6CE9
28
satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A07D37D-FE56-4EDA-8855-15886DFC0328
29
Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F26437A9-BD9A-431B-A433-7F719E060FCB
30
Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04D06E6E-6C60-4BEE-BF7D-A97328D90802
31
Ary hianareo tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7403966B-972C-4183-906C-3AB78FF8C73F
32
Ary hianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E20B0554-4213-4A8F-952E-6913A94D7D46
33
Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny ra dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny ra izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|861CF6DA-068A-4C06-A9B6-9F5FEF1CDBC7
34
Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|994621B9-D9BA-4236-AE31-71F3E348C11B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany