Deotoronomia 1: 1-46

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98470AC1-AE66-471B-A697-910C14ACE82B
2
Làlana iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny làlana mahazo ny tendrombohitra Seira no aleha.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06C50E2D-ABCF-4A66-8736-3D01BA192709
3
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C1D874F-4750-4968-8FDE-F83374CBEA79
4
rehefa namono an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|011A6BC1-0154-4164-BBED-3D09391FF4BC
5
Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C4E79B-050E-49FB-A64F-73C8B0874DE7
6
Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E557BBD5-03CF-4CF9-81ED-5BDA72664FCB
7
mihodìna hianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amorontsiraka [Heb. Sefela.] sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10D7316-5FAA-49E3-B6A5-81BA96FBE90E
8
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8B2703-946A-4812-83D0-E75C8DDF1C36
9
Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9661F588-778D-4B8F-8124-CCB65D053DCE
10
Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra hianareo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B67212CE-68CA-4A7E-8C7C-F3BD18A63688
11
(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE4134F-935F-41E0-B747-0FBA175CB7ED
12
Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC6C04DC-3422-485D-AA6C-B7CE2BF66DB5
13
Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433E8C9B-104C-4D8A-806D-D62ABCD70029
14
Dia namaly ahy hianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|508FA37A-C5FB-411C-BE1A-9E68CD715B33
15
Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED5F2568-83BD-4EBD-9EFD-F74DED88A255
16
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8545AC1-6C64-4F2F-A098-A2DB302CA6AA
17
Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento ety amiko ka hohenoiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A695F2-C152-465A-B4B2-7FE2FCFC8FF3
18
Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D309538-0E8F-475D-999F-03EC7272F131
19
Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny làlana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65B73373-06AA-4A13-9D1B-0E2AC80F2ACF
20
Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB00E4C5-0A32-4374-AD5D-F677591DB695
21
indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D615AECC-A5B0-450B-B743-B8A830A341D6
22
Dia nanatona ahy hianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny làlana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|282976D7-6545-4049-9D1D-B05707E8C575
23
Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CC74943-56AC-4D96-83BB-DAF52EDC73BE
24
ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F3321C2-CB38-4B09-985F-1347DE89DE8F
25
dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF2B98FE-71AC-4BC9-9849-BA542A3CC419
26
Kanefa tsy nety niakatra hianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C823F275-DBB1-4A47-A526-0C1C9CA255AF
27
Dia nimonomonona tao an-dainareo hianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A9BF699-89FA-4B0B-9EF1-246E4512AF8C
28
Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D5BFFD-3039-4903-8E8D-8339CF65FA5C
29
Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8E5A6F-4D9A-4D14-9FA6-CA12E2DDC11D
30
Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DCD5E0-2228-4E06-BEBE-93D2F21FC4C9
31
ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny làlana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDC2E4ED-AEC0-494B-989D-BCA05D5F9FD1
32
Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD8C371-52CC-47F4-91A0-C4B1EAC68401
33
Izay nandeha tamin'ny làlana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay làlana nety halehanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B36FFAD-4958-48E7-B670-541C5FE59227
34
Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45DEF1CA-AD38-498B-A7A9-427380C0B0F6
35
Tsy hisy olona mihitsy amin'izao tananaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AFF827E-938D-4542-98D1-B487C8098E18
36
afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F9B90F9-A378-405A-8B6C-B04BACB8A88B
37
Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2166304-43FA-432E-B7C0-C52CE8D2A997
38
fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0C0275F-4FBE-4930-9C22-EF83B8C96FAA
39
Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAC96225-3CA2-4E43-9083-BE72938AAE16
40
Fa hianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny làlana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19A7F957-5373-4AF9-B322-0ED895F94815
41
Dia namaly hianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy hianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B96F8F-1F44-46F9-B6D4-9287BA80CC78
42
Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra hianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CED7834-0782-41A2-B3D0-7D03EA25600D
43
Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino hianareo; ary nana ny tenin'i Jehovah hianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D48CBF-BC71-4188-A493-B85EDE64813E
44
Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|647143B8-75D6-42C3-AECE-02C09037638D
45
Dia niverina hianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C406816-6AB2-460B-B18F-C541858E89FE
46
Dia nitoetra ela tao Kadesy hianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B0BB8AC-5528-4D9E-8879-9C4581ED4F44
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany