Deotoronomia 1: 5-21

Andininy
Protestanta Malagasy
5
Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C4E79B-050E-49FB-A64F-73C8B0874DE7
6
Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E557BBD5-03CF-4CF9-81ED-5BDA72664FCB
7
mihodìna hianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amorontsiraka [Heb. Sefela.] sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10D7316-5FAA-49E3-B6A5-81BA96FBE90E
8
Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8B2703-946A-4812-83D0-E75C8DDF1C36
9
Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9661F588-778D-4B8F-8124-CCB65D053DCE
10
Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra hianareo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B67212CE-68CA-4A7E-8C7C-F3BD18A63688
11
(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE4134F-935F-41E0-B747-0FBA175CB7ED
12
Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC6C04DC-3422-485D-AA6C-B7CE2BF66DB5
13
Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433E8C9B-104C-4D8A-806D-D62ABCD70029
14
Dia namaly ahy hianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|508FA37A-C5FB-411C-BE1A-9E68CD715B33
15
Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED5F2568-83BD-4EBD-9EFD-F74DED88A255
16
Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8545AC1-6C64-4F2F-A098-A2DB302CA6AA
17
Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento ety amiko ka hohenoiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A695F2-C152-465A-B4B2-7FE2FCFC8FF3
18
Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D309538-0E8F-475D-999F-03EC7272F131
19
Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny làlana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65B73373-06AA-4A13-9D1B-0E2AC80F2ACF
20
Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB00E4C5-0A32-4374-AD5D-F677591DB695
21
indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D615AECC-A5B0-450B-B743-B8A830A341D6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany