Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC628D3-D8E4-49B5-8458-CD9D72C665F1
2
Horavanareo mihitsy ny fitoerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94FC8333-74C4-4509-AB83-2534F23CC039
3
Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AB861B4-BD40-49C6-A9F5-C3FBE38BCE55
4
Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|192CC972-6717-424D-BFB1-4AF934A1EB8C
5
Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41BACB97-0417-4474-ADE4-026A52FF409D
6
Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-dra sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tànanareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman-osinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|162576CD-C912-432A-A588-2B8DEE87BCA0
7
ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tànanareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D82C55-4F75-4E7D-AD7A-80569ECC4227
8
Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony hianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FEE8C8-C04C-43E5-BA3E-B2DBC4FC1997
9
Fa hianareo tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana sy ny lova izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|990A536F-9977-4D1D-AE37-D717D2BA58A9
10
Fa rehefa tafita an'i Jordana hianareo ka monina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan'ady amin'ny fahavalonareo rehetra manodidina hianareo ka mandry fahizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98A88074-84B1-493B-A9EB-9673028F450C
11
dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-dra sy ny fahafolonkarenareo sy ny fanatitra asandratry ny tànanareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1929BA40-99B3-47E8-AA9B-753852FD43D1
12
Dia hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9101BA3D-4562-4420-AE8E-CB63C9E3DF0C
13
Mitandrema mba tsy haterinao eny amin'izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9E79DB-E889-404D-8665-3BCB5696020F
14
fa eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah ihany amin'ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EFAEFAA-6087-468E-AE60-D48C9D7B343F
15
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena hianao, araka izay rehetra irinao eny amin'ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|649E7299-1B6C-423F-81D1-C541024EB09F
16
Kanefa ny rany no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52B9C31F-8E61-4545-A794-C2791D875CE5
17
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranomboalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F402F796-688B-498D-AD4D-21D85A526D3E
18
Fa eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy,-- dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia hianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hianao amin'izay rehetra hanin'ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7CB28B-F1CD-4719-B488-3F1474E9C6E1
19
Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin'ny andro rehetra hiainanao amin'ny taninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F0BA61-9E08-4D06-A382-A8D46ED16826
20
Raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy hianao: Hihinan-kena aho -- satria maniry hihinan-kena ny fanahinao -- dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin'ny fanahinao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E380D064-25A1-4D36-B2F7-E7870F9D23F6
21
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman-osinao izay nomen'i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin'ny fanahinao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|788EB8FA-6D66-4178-958A-4B85329E4CC3
22
Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5619FCF-D3E8-47AC-B796-F20FD2C5FE37
23
Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin'ny hena hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F029C485-481F-4652-8E6F-25D8346F0B21
24
Aza mihinana azy hianao, fa aidino amin'ny tany toy ny rano izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D54371D-DC32-4506-B002-06724FDFD957
25
eny, aza mihinana azy hianao, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7787BFC7-F598-4A90-8BCD-84D237795519
26
Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2B180A7-9282-41C6-B659-39125D424EE9
27
Ary atero eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny rany; ary ny ran'ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34392B2E-FA9B-4ED3-9F29-0CB088EF531D
28
Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57D3EF8C-794A-432F-9191-3C3DD8B0A1FE
29
Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy hianao ka honina eo amin'ny taniny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31F5C72F-5643-496A-B407-980D8CB9A943
30
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony hianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny hianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8981E85-86C2-463B-BA9D-6D0C72163FD4
31
Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AFF309-725E-455E-9D2D-1FC81854E6AB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany