Andininy
Protestanta Malagasy
1
Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo[Heb. ambonin'ny elanela-masonareo.] noho ny amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9F2C027-0FB8-4436-8423-5C1700E16004
2
Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2ADEA9-36B4-41D9-A877-80844F31CF8F
3
Aza mihinana izay fahavetavetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F19AE326-A143-4900-9F3F-3CD4C75AD872
4
Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37C92047-5C64-4B4C-891A-EE3A4079CBE2
5
sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|563B2097-511D-4E2A-B9FD-19E7DE4B6211
6
izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7831D810-C57F-4395-8359-0927D2C55F48
7
Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny ra bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4194902E-6C5F-49EB-864B-51AC8D7CA6C0
8
ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B6AB7D6-EAB1-4C85-8691-AE39FCCCEB68
9
Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31F3FBBA-1C15-49C5-B4B0-07732366197E
10
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC19C846-5834-4AA3-B2AE-5979DE57DEC0
11
Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83BFB3B8-3446-4132-9C63-52C63AF6F8CA
12
Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C33F8E95-7E99-43F3-BD18-19ECDA8506ED
13
ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7F498C3-88C3-455D-99C2-08BE0ED91C8D
14
ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|589E675F-2BE2-4861-A26B-7D74F53D7536
15
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E861D647-4424-440A-92C7-F9B5FABAF051
16
ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D02E3FB7-6022-4C7B-8E9C-7CAA0616153D
17
ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E80113E-D217-47E8-8CB6-E70B0A58CAC4
18
ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0FF4FA-DE80-4585-9D19-EE36EF6F9EEA
19
Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4F6DF3A-6819-4DD6-8E42-192CE4BC5F2B
20
Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39C740F3-9388-42D8-9237-5541DEB9A89B
21
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao hianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEFBC97F-DFAE-42D1-847B-2F3B7AE8F3B3
22
Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487E76EE-1C9B-48E4-97CC-A3498CB8A0E1
23
dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C87BD69-BD57-4788-A871-668A8FAC0880
24
Fa raha lavitra loatra ny làlana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany hianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50B8D975-BC05-4ED4-A7B8-F5A1AFEA5110
25
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tànanao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261C1951-E572-46E5-A5FE-C42825D5F194
26
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C5D9D7B-1975-48EF-973D-AEFC6A5B330D
27
ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|178481BE-6E28-41B2-A17E-82D71AFF7B3F
28
Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F1F2210-AF8F-4D5E-98F2-5F62DE835BC4
29
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao amin'ny asan-tànanao rehetra izay ataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AE6E7B1-F1CC-4EE4-8206-D53818741D73
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany