Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EA9A6B6-745C-470B-9B36-491411F25CA5
2
Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman-osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82DA1BE3-60CD-4E51-9493-D1964AB531ED
3
Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana -- fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta -- mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE3599BE-30BA-4C54-8B1C-D2F162B47E66
4
Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|906A24A4-5CC1-4FB9-8C6A-F6EBD5B3A058
5
Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7D2D9DA-536D-4AC8-B650-007DF2613EF7
6
fa eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A0EFBE-3770-4AFE-B5DF-A8A3B24E11BD
7
Ary atsatsiho amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin'ny lainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAECFDE5-06D8-4A63-B1F2-73B93BF45461
8
Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha hianao amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C67C61-1A34-40A4-A8C6-9E5814CCD506
9
Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin'ny andro iandohan'ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97C76F64-E015-4446-86A3-3EF6B740DE70
10
Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro[ Dia ny Pentekosta. ] ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22B35A85-E3E9-413A-9FEB-8E9BAE7A9A81
11
ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|174BAD55-1ADF-4240-8C71-B7FDE32084F3
12
Ary tsarovy fa andevo tany Egypta hianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C9DA4D8-78E5-4D31-9DC7-7EA9A887A949
13
Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00FBB8FE-09EA-4796-9350-B4276A310252
14
Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao hianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0928F7DC-F3E0-463E-A31D-A00A41201066
15
Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tànanao rehetra, ka dia hifaly tokoa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA85F006-8A84-4689-A8A0-46C0024C20D8
16
Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny, dia amin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro[ Dia ny Pentekosta. ] ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A77F726-58AF-4CB3-9B0E-54059D986043
17
fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|365A8FCA-F957-4D30-A72B-16077E5A066F
18
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC93927-16C9-4ACE-9DA6-F9A0DD1EDE9D
19
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD1076B2-AAEF-452B-A430-64E2B8419B75
20
Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona hianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF89301-093B-4B8A-9729-2872CF2D1953
21
Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CB450C1-C5C9-4F5E-9127-67DFADA627FB
22
Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0014B20B-5899-4C17-81A1-63ADEEEDC221
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany