Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy hianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E215D5D-9782-452C-87D7-E31F0C368C90
2
dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57FD9DF-487B-4D55-856C-8C5C62F2F56D
3
Amboary ny làlana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33E87784-EFFF-450A-9601-110ADC157C98
4
Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4BA0B73-4A2E-4F35-93EE-F0520CF79331
5
toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an-ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy -- dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4CC5D1F-ECD5-401D-8360-175ED1FC7445
6
fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09CBB840-CB67-46D0-8CDC-3D04D830A711
7
Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63566B42-0CF4-4B4B-B969-83956553F1A9
8
Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7C5B6DF-5AC4-4171-B266-7C6E467A4B66
9
(raha hitandrina hianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny làlany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3793CCEF-839D-4D1E-9460-2BC84D8CDDC0
10
mba tsy hisy ra marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny ra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3AE603E-12C3-4234-B9A5-B181499F48B7
11
Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB2F989C-ACAD-4F35-A657-CF170EF36D7D
12
ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly ra, mba hovonoiny ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EBD946C-D6C3-4D05-9775-5659C4BC1ADC
13
Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny ra marina, mba hahita soa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63EB50D5-F4BF-4657-A95E-06077A6D9529
14
Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931EC949-597C-4B92-8CA2-1764C1B65529
15
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AAF21B9-69F2-47F1-9954-3E554122FA93
16
Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,[Na: ho niodina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D18AA8BA-89A4-4886-94A5-899C4C28F920
17
dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82584A9C-E9D5-4CF8-A933-4A70F44E1360
18
ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|954463F0-1D82-406D-99CD-7F7EF17D4F0F
19
dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD86D4AD-ABC8-40F2-B700-975EC48FB7F2
20
Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058CCCAA-7B73-41AA-809A-AF2F03FC52DB
21
Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tànana solon'ny tànana, tongotra solon'ny tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|277C5AE1-8020-4CC5-8A37-CCA5F0BE5AC2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany