Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4001E891-9513-4B09-8747-3DD25D9BEDD8
2
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2602E275-C2F1-4EB8-B3EF-EBDD2F4A25C8
3
Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A32B802-79E0-4F1C-8645-5D21D0B3947C
4
Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dàlana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5888F075-91FD-4926-A7BB-A20140C88A8A
5
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCD71A4C-3D43-40DD-9D9B-AF2E0BCE32B4
6
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dàlana hianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B6862C-DBE4-47EF-8176-A2BF36B3F9BF
7
Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, -- mba hahita soa hianao ka ho maro andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB734456-CEA6-426C-874C-20B016046B81
8
Raha manao trano vaovao hianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny ra ho ao an-tranonao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7835D6FB-FD31-4EAA-95D5-820FF5DAE1CA
9
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy[Heb. tonga zava-masina.] ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanimboalobokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9372F554-0F40-410D-AB39-AB24D8E4F7E2
10
Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5F14B0-B85E-4069-9560-654579D1E7F7
11
Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC2B1E8F-E5BB-4D8D-AA45-9448F10688C9
12
Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA97494E-4D2A-4AF3-8D33-7C2F7B0C07B5
13
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81191442-5FA0-4ED3-8BBD-BF80266E6D33
14
dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58D1036F-1F60-45DB-B53A-BAF972479925
15
dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|041CFBD7-8773-4E8A-B81C-13E1D7F83F07
16
Dia hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1AEFFCA-03EE-4DD4-80AD-B96561AF09F3
17
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanako-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5803770E-D043-4913-AC6B-B4C3C4252C7F
18
Ary halain'ny loholona amin'ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F9580EA-4F83-494B-95E3-80011A1ACF51
19
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1425CD9-B152-4B07-974C-FFDDCB16B40C
20
Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F024FEAA-6B1F-4BBD-A986-392F56291CD0
21
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2DEB237-EAB1-4C05-80BE-99A0CF0AE99C
22
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7A10941-CFFE-43D2-9437-46B73AA6C485
23
Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63E1977E-D5D7-4481-B82D-EC284ABE355A
24
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|178CF720-B363-4ABC-8E5B-2BC3BD3E49C0
25
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9DCBC3A-753B-4488-B612-186D883534A8
26
Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0ACF810-2199-402F-848A-DC07F0C1C579
27
Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A275E0A-1B02-488F-85DB-712E6B044EF9
28
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B0BAAD3-E4A4-4D18-AB27-190A353C79B9
29
dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2F4E00A-945E-4230-B76F-FDDAB4B8BF13
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany