Andininy
Protestanta Malagasy
16
Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FF1BF50-C89C-4F02-A141-28CCBD9FFED8
17
Efa nampiteny an'i Jehovah hianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny hianao ary hihaino ny feony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA4E9AB2-4B4E-4E0A-B059-12CFDADA4E0D
18
Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao andro-any fa firenena rakitra soa ho Azy hianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2690D0E0-BAD8-4738-89CA-7D576865FE37
19
sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao hianao, araka izay nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A3F38E-187C-4A5C-A1C9-38748FD084D3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany