Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|879B0591-2A52-41C3-99AB-D400025DAC90
2
Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C136223C-1056-4485-911D-A5B8C89673DF
3
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita hianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB7C7F82-F5C3-455C-9C9E-83BFFA19E2DB
4
Ary rehefa tafita an'i Jordana hianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA3A2FC0-251F-4986-8A5B-0EDE09715DB1
5
Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60A8A069-F1E3-4892-A00E-13CD45B8C0F6
6
Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|176B52CE-2BB7-4F2F-82F1-3F7CA31609F0
7
Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|022CDB51-9F25-40DE-BD6C-24CD0C8252D0
8
Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|830BA088-736F-4C56-93C9-F9D3D23E3549
9
Dia niteny tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: Andro-any no efa tonga firenen'i Jehovah Andriamanitrao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD65E2ED-4DD5-4708-9D34-4E08E329139B
10
Koa henoy ny feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEB9677-AA29-48D6-8279-CA42AD70A324
11
Dia nandidy ny vahoaka tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0182E9FD-80AD-4B12-9E58-A860EEF3DD76
12
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana hianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0585B3D9-B48D-4BF0-840E-2892CC1E20EF
13
Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5F90C07-7D1A-4A63-AC08-B5021F0C7B58
14
Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED1F015-A519-4E63-8951-00A9EAC5B5CE
15
Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tànan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D75D569-1037-4109-86E5-3EAFE93D52A3
16
Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE61E0F6-52AD-4603-A42D-54E09B6EA27D
17
Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63378CB8-7281-4120-B519-AC323BA91586
18
Hozonina izay mampivily làlana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8099034B-896C-4B05-9BE1-B1DA9AB7190C
19
Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4A2DC9C-BFB6-4F18-9030-653C13FAC830
20
Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2102DC5E-00A4-481B-B5DB-C06E4ED68B03
21
Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8351CC58-3ACF-4EDD-8B5B-7DD6A5A46A62
22
Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50B416A-7347-4FB8-A6BA-BAB6A67B7D62
23
Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFCFE813-D063-4E43-B88E-A54CE7D57C1B
24
Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24F743FA-941B-4FF5-8C0B-67FC878768F7
25
Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DF59055-6350-41FD-B11C-DFAD19E86772
26
Hozonina izay tsy mankatô ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB657A07-32F9-420A-89C8-62DD3495D622
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany