Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny làlana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE3995A8-D703-473A-AF00-E8D3AC0D4809
2
Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy hianao; fa efa natolotro eo an-tànanao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary hianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7DC12F0-3C1C-4BE7-AE3E-CE99DB304F22
3
Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tànantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B99B0846-8A3D-45CC-ADC5-1C3A034A3103
4
Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany -- tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy -- dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E30F260-7019-4E89-9A7E-C63BBE26B95F
5
Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana mànda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3803F037-F791-43B9-BCE4-174F1FFB6828
6
Dia naringantsika[Heb. nataontsika herema.] ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F888B3AB-9884-4F47-8FF6-34CBD5E67D3D
7
Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|133362E2-CFCB-4CB0-AC1F-4516BAA0534D
8
Ary nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka roan'ny Amorita ny tany izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DD7DA83-9093-4FFB-99DD-E2112D567A28
9
Hermona nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A37C820D-CADC-405F-82A0-FDEBABC217F5
10
dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F7AA47-E812-4923-B46D-D62D4B29214E
11
Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refaïta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9F4C9C7-9F71-4C5E-8B13-A0B15F427738
12
Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|353B68FB-7C74-45C3-B5C7-008239CCE04F
13
ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin'ny Refaïta izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89D5DFD-FDB1-405D-BBD0-45350BBCFCB7
14
Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka andro-any).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C605DA0-D3CB-46B9-8BFA-F818187FAAF3
15
Ary Gileada dia nomeko an'i Makira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1978699-4ADB-4BF3-9D9F-A4DCD578D24F
16
Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31CC1FCA-B44D-4938-BC90-A9C32542430D
17
ary ny tani-hay [Heb. Arabà.] koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABEAC181-749E-48C6-A0FD-FD880FB9FDF3
18
Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo hianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0BC64B9-0B8A-47FB-A02A-4C7715923BF1
19
Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby hianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD642ED9-D059-4D82-A066-D10D588A65B9
20
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina hianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9775AEC-73D3-4978-977C-F193401E0F6A
21
Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F8D864-1037-4568-88B4-4ADF74D5FBE7
22
Aza matahotra azy hianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBE3F151-F550-44CE-9F3E-AD44AFE65CFB
23
Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39C351B4-0838-473C-9DE0-A470AFDCDD04
24
Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tànanao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na aty an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52D153E-0575-4F53-A9E0-A59D2A766F0D
25
Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1848B949-0983-4656-A157-690B4F97AFA5
26
Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3494C178-9E59-4939-9064-10B2E3CD233E
27
Miakara eo an-tampon'i Pisga hianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4EE6E14-120E-4626-8289-6DF6FFB3E2BD
28
fa mandidia an'i Josoa hianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD112304-3406-4716-874C-C8D8FAEB73E2
29
Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55DC8BA9-8B8E-4D59-9F23-4B99C94924B3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany