Deotoronomia 34: 1-12

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2761DC1F-7E3D-4EDB-8D49-C09A18268206
2
sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B29C687B-436D-4701-AF91-8638376DB52F
3
ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia[palma.] hatrany Zoara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C57F1E01-F0DA-4FE8-88BF-9DE9631CA281
4
Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0BE6FE9-157D-48F0-B702-4AA05A860560
5
Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80938790-37AB-4503-A01C-C06176822589
6
Ary naleviny[nalevina.] tao andohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A6C7A6-CCD7-494D-AC1F-D3904D47E232
7
Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E9510CC-827E-4D5C-9237-1BD15140ABFB
8
Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4514BCF-5B5C-410F-A337-91EEF0E26D3D
9
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tànana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1600D839-5ADE-459C-A404-FF3B9E6C7348
10
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3B063DD-660B-4EDB-B6E5-714A6B680595
11
tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00E295A4-9DD4-4ECB-AD60-896125D742B2
12
ary tamin'ny herin-tànana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43CDA59A-2BB7-4314-A9BE-717B41860A12
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany