Andininy
Protestanta Malagasy
6
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4921AC-89DA-4462-8A12-ADDCD14B0858
7
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF898EC-65D6-4CF3-A1D3-5160DA5B12A9
8
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AB9002A-FB3C-4599-991B-209AE09BDD14
9
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DB614B5-92F1-4A57-8C03-D1443F870078
10
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C3CFCB-0CF8-41F6-99F1-A64434657159
11
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;[Na: Aza manonona ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao ho enti-mandainga.] fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA29D28A-1E13-463C-B2B4-C10158B60460
12
Mitandrema ny andro Sabata hanamasina azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC64CDCB-008E-4311-8839-411CD13C3EB9
13
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36A15A9D-0B14-4DEB-923A-DA681279F4A9
14
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF9E264-DC04-4B17-8274-04622B3B181A
15
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta hianao, ka tànana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CFB3A0D-8E01-4094-9A99-40B7A2653278
16
Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2454C3BE-0B63-4F06-9270-F21948594727
17
Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0B3A41A-6D5C-46FF-B851-2E9843502106
18
Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F9BCE95-E8EB-49BC-8B47-E084D2B130BC
19
Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra hianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2099104E-17F8-4445-963E-17FC239EE6F1
20
Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy hianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41457454-3B0F-45BF-9649-5A19C67BF2C2
21
ka hoy hianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika andro-any fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20D97FC7-0CDC-4A55-B531-1F43F1B5D862
22
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74C58384-CA87-4521-BEE8-2FE4569C5723
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany