Andininy Protestanta Malagasy 7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra, -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|235EFBD4-C749-419B-9781-0CED0CBB061F 8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely, -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02AC7A5C-FB96-4B3C-AEBC-8B2FA91885AF 9 tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo hianao, -- tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68F18B13-0381-4782-ADF2-73142137A310 10 Ary rehefa nihinana hianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4344867E-FEB7-4421-85B2-859645CAC8FC 11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01158E72-83DD-4DCD-B26E-233307095D54 12 fandrao -- rehefa nihinana hianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EBE60A6-3254-4887-8B13-709BC7F81649 13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B1E1C6D-969F-47B6-940E-EDEDCCCFF8F2 14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65AE99B6-A9F8-4D13-A61E-24CC6D1E8E26 15 Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo[Heb. sarafa.] sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato, -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A694F214-0695-48EB-9772-7B232C1CF965 16 Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E83B4B1-818C-4F09-9E7F-7BDE829E7E01 17 ary andrao hianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tànako no nahavoriako izao harena izao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53EE9A3D-5562-482E-8A97-E371B9F7DD3F 18 fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C4229CE-1A8B-4088-8059-5AA7668DCD0D
|