Josoa 1: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11F9D5E3-7514-4DEA-9358-25AA94A34E07
2
Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A67DA8D-76B1-4FAE-ABD7-A34545B5484F
3
Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAE6651D-6AE2-434C-B906-263AD99DA3FB
4
Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384C7210-0102-4E9D-BB1D-D7117F3D5637
5
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F23FFF4-EF9A-44EE-9961-99D6A1BB2FC2
6
Mahereza sy mahatanjaha; fa hianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68F1AF86-74CD-4B9F-BE8C-1D1D460020C2
7
Koa mahereza sy mahatanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina hianao amin'izay rehetra alehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3921B7-F427-4558-BC53-DCC7F2E64F21
8
Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DB4CCF5-2DB4-4CD3-A633-BAC37622EFE3
9
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy mahatanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7429CC-777F-4C35-ADE5-A5BD479993A0
10
Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA0E28D4-8D33-4F23-882F-23AB26B8356E
11
Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity hianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|309F75BE-ED35-4AD7-AC61-805E10E7A6AB
12
Ary ny robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|709F4262-8089-4E0A-9B37-D6B691984FBD
13
Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F568DA7E-E4B3-4E26-B682-122541D68DA8
14
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo ety andafin'i Jordana; fa hianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5452E66-4950-4F9C-B8BC-779580DE17B1
15
mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo hianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo ety andafy atsinanan'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9113A66E-20C1-4650-801E-6765886055E5
16
Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|511E9B8B-7DC0-4A2A-B1B2-3D518D7E3426
17
Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8845EAE6-4295-4DE0-A2AF-4462C48FC1DB
18
Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy mahatanjaha hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73AD2F2-5861-4C31-9B51-27FADF6C27F9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany