Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84A137EA-55D7-45D7-BF5B-FED5EE75750E
2
dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAF5AC14-891B-4457-913E-7904B5C592E2
3
ary hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anolonareo; fa Jehovah Andrimanitrareo no niady ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|718B7C12-01E2-4486-B17A-EDDEEF2E93FA
4
Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29D87E3F-C9CA-47BC-9829-62FB766695F1
5
Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny hianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2ECFD70-6061-41AC-B42A-C6EF4C393D80
6
Dia mahereza tsara hianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E79BA06A-5FF0-46D7-9ECC-C90394EF880D
7
mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE7D77A4-9760-4DBE-9F04-83A11B523866
8
fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2DD6237-4148-4582-A0E9-37D8CDEFFB77
9
Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12D997A5-EC05-4895-A3CE-34EEFF199F54
10
Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44AB3829-E2E9-45B3-B591-C2A559C0D120
11
Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53F79E1-32B9-459E-AFCA-D08241F78D7B
12
Fa raha mihemotra hianareo ka miray amin'ireo firenena sisa eo aminareo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E67D5C4-7CA9-4600-BC58-EF16D728D127
13
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|950C7A6A-6685-47A5-97D5-49173C5AE9A7
14
Ary, indro, efa handeha ho amin'ny làlana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka na dia zavatra iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E12B08C4-2139-4438-942F-C69B3896CCF1
15
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA147F18-7D89-4B42-8FF7-807513859D06
16
Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana hianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9029575-9799-4776-BEC5-7B3F0F1D2B4C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany