Josoa 24: 1-33

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|708CF6BC-33DE-42B2-8172-E863EEDD400E
2
Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|739762E5-8E2E-4D3E-9B05-5DCEE158B1FA
3
Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DEFD6AF-E863-4F06-9DDD-A2251531C5F2
4
Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C84FF776-C012-4D69-BC91-945F42DCD806
5
Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9B3995D-CCB5-45A5-8D09-52DA6EABF56E
6
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina hianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D772CAC2-D5A0-40FA-ACB9-8F209267309E
7
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany an-efitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2519094F-FC86-44E6-8A95-AED7E615CC1A
8
Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana hianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tànanareo Aho; mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7D1FCC0-19C6-414B-A585-37C8EA47B9C4
9
Dia nitsangana Balaka; zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F14C525-FDAA-4F7D-970E-1632A47CB51B
10
Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1909344-DCB1-4175-ABAB-2A83170FEB36
11
Ary nita an'i Jordana hianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tànanareo ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF29CF26-2B5D-4800-999B-EB3A9991CF3A
12
Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao na tamin'ny tsipìkanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6D6C522-41B5-4C2E-8E34-9FCE908A3BE9
13
Ary nomeko tany izay tsy nasainareo hianareo sy tanàna izay tsy naorinareo hianareo ka dia nonina tao hianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanimboaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA49B8C3-8E53-4F9A-9A93-F4D02A21D527
14
Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18FA55E5-EF40-41DD-992A-BDB1C37F0CEF
15
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E084E92-88EE-4752-BDB7-D6AFA3433FCB
16
Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E399D5A-FC94-4229-81EC-41F45BB6C635
17
Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny làlana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|571756AE-F02D-4DB0-8DF0-093400B31A11
18
Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|796EB948-D1F0-44D6-B84A-99083B6C414D
19
Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah hianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA276DBD-8520-4295-B91D-8D3EF937355E
20
Raha mahafoy an'i Jehovah hianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7921DF98-1F97-4ED2-A835-ACE2519477DE
21
Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E78EF5-8317-4F67-B2A8-2B468C274A37
22
Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo hianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny, vavolombelona izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF20B1E9-670E-4B5F-97D6-841F43630318
23
Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny fonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BEC7202-2EA9-4C86-8867-37FE1F2E4184
24
Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48EBB39C-1B51-4060-8080-DCF5A59D16F0
25
Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765CA505-01E4-4895-A1F1-8EC494F59422
26
Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B91B9578-C225-46B4-9B34-25B9C9F9C916
27
Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B0D64E7-78F2-41D5-9BC3-880EDF79B7EB
28
Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB750C4E-A815-410D-8CAD-97A4A50E161E
29
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8807E961-18E9-438E-B6CF-A8580BF87743
30
Dia nalevina tao amin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3071FE-74CE-4527-92C1-6E2F5BD2CA43
31
Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|287CBEEA-2283-473D-9E49-6D9093DFD074
32
Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2E3031B-6647-4E61-9F71-B8F7FD94CF33
33
Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCDA9906-25E8-4C33-B498-A9867075559A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany