Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF4ACC85-00B1-4BAE-A02A-57C4506E8D70
2
Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2109150-413E-4BE2-9800-E03182FE13C9
3
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDFB5F05-5284-44A6-B964-783B2C9C1257
4
Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia iray avy isam-pirenena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6DB90FA-82CB-49ED-98C6-46FCD5D10A61
5
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony hianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE2C5E3E-C795-4B4E-A446-614933806F31
6
mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6CE781-63E0-409B-9B9D-4C02870714F8
7
dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E9F5CD0-1668-4E69-82BE-D95438434442
8
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BC086C-2A17-42FE-BBEE-C23C99ACF439
9
Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B066F65B-5FB9-43B2-9B6A-A480F9579842
10
Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|374E45ED-8437-4B72-A1AD-4CBAC51F96B3
11
Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D39E4E8-9497-4969-AB7A-3AB644D28C99
12
Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B3C96DC-9357-457B-8214-6B586B23BA57
13
Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay any Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27A13B23-158A-4E6D-9BA6-EDA2D8E0FEA9
14
Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B155291B-9A7F-407A-8185-7E4518E00227
15
Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B71A3BF-38DD-4E04-8564-B4DBCD55FD62
16
Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF04198-84A9-4F59-8AAC-2CE40964DE81
17
Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDF405A0-9D38-4730-9C05-40DEBD8FB84A
18
Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E58DCBA2-B7BF-4BCF-ADCE-0B9936FB5F93
19
Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADAB597D-FBBA-4E32-A95E-2964EA3C7BC2
20
Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECAB725F-1F4B-4500-A0A1-35CB31F7EB4B
21
Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9239375-DA5C-4E10-932F-54F132F5313E
22
dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BBB081-6BF0-42F8-BACA-AE51F92DDDA1
23
Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloantsika mandra-pitantsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75E514A0-63C3-4C8A-88B8-8F8D93A451FF
24
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3811EF-5AD8-4D44-A5E8-B92844F55427
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany