Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra amin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony, ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81F83A10-2B52-41AC-9085-0EA0CA145E23
2
Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE149261-2847-44FF-9AAF-B28EDAD3193A
3
Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71529723-5CAD-4A98-AB16-F3DB342AFBAC
4
Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-efitra teny an-dàlana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C800BB09-BBEE-4CD2-BE40-C7658B29E6BF
5
Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dàlana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC729A74-194F-4C14-A75C-CFD4FDFFBF9B
6
Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy avelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDF1A449-0126-49FE-AB37-DCC4A15F42A6
7
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dàlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EE4A95B-503E-4C36-99D5-EDB6E8CE5982
8
Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B587C077-A136-486B-AEDD-96BF78AF3FA9
9
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACA4F046-B5D4-4232-AD11-F3E43AF27B25
10
Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79ACECF0-2DE0-4CBA-9359-4E95C237B8A5
11
Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7D0A037-053F-4D7E-A800-32243052B4B2
12
Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F23539D-38B6-4ED3-A9CE-F7C8B132282C
13
Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A822A072-F001-4549-A7AB-9D33ED4CA1A1
14
Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga aty ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77101C0B-2B6F-4ED5-9DA5-0ECF40B88794
15
Dia hoy ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0BCB528-639A-4A0B-BCE4-2BBE25F2D6C0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany