Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEAA2A6F-9E2E-4DA8-A029-CD2CC7779FBE
2
Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nalainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2427FA1-5369-4E56-86C4-282B18EC8084
3
Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy ny reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tànako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko aminao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1194B7B3-A322-400A-BDB0-F66148C96F15
4
Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, dia natao tao an-tranon'i Mika izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE096227-C978-4F1D-9E8E-7E069826DC79
5
Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C5B721F-E65D-4C2C-9747-B3E56434F839
6
Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BAA7DF8-5169-46C6-91B0-E2F125825F4C
7
Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B4713B0-B08E-4BAE-883B-F009BFD79210
8
Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B6F9CB0-F2FE-4877-9A61-9464596E1ECF
9
Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa hianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha mivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5EEE887-5599-4FF0-A888-E50EBEBFF5AB
10
Dia hoy Mika taminy: Mitoera aty amiko hianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AFE5F77-3F46-4E3A-AE31-4579F0099AC7
11
Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A486D87D-FCC6-4B51-ACD7-9C243F7C0139
12
Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B63F2C96-F781-4156-B974-3EC2B7EF188A
13
Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E93C1807-EE6E-47F2-9F21-B55878AD4C30
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany