Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo ato amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960382DA-77D6-4035-B280-C8A48BD37C4E
2
koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany hianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko hianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED5AE3D5-0DBD-4375-8F0E-8CBB4D83D2E8
3
Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78094E7A-8EB1-47D4-9B84-E99CB0FA542C
4
Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E65BE27-0481-4FEF-A214-5D5ED1FF6691
5
Ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74DCBFD8-4F9E-4641-B20C-B063BA71DC31
6
Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C204677C-9484-4778-84EA-9211CEE237AF
7
Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216B3027-5311-4F98-BC76-28BDEEDA9FD9
8
Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808E6106-1432-4C16-BAFB-2039FD6C7C2A
9
Dia nalevina tao amin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF8AC76D-B6BA-454F-8F37-C861FD805037
10
Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voaangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81467377-593C-456D-90EE-8E17929F98FF
11
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5094195-4457-4DB0-AD3F-6D94787DF15C
12
ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5793EF90-3CA7-452D-B424-3B219402EBDD
13
Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanompo an'i Bala sy Astarta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2881A4B8-B0CA-4ADE-AF76-0E1BE4ED916C
14
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0D00223-E9D0-4759-B3DD-2C020F32418A
15
Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tànan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59829949-23E9-4D52-953E-6C2442950B12
16
Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90A7EBFA-08B5-409F-AABC-629383DEEFE6
17
Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny làlana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E56BDA2-B713-4F9B-B236-82808B781B8C
18
Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tànan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F310E08B-BCDC-4F8A-B175-F80585739E12
19
Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tamin'ny fanaony na tamin'ny làlana nanaovany ditra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9676737-5379-40DB-883F-CC2461B1B688
20
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6DA6F54-71DE-49B2-9B22-3E7A66CDE32B
21
dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CD553B8-FE27-4ACA-AD6B-C25221BC2DF4
22
mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalàn'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B44E507-9FB3-4AD6-A559-134DD79AE3F1
23
Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61171CE4-EAC2-4E6E-85F5-769F27E875EF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany