Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D90E854A-E00C-4D62-8876-C9985BA5DEEA
2
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CDA5A8E-6BBD-411A-9696-E1AB1CB3A6B5
3
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|575D0BAF-C126-4718-97F3-43B1C44B66A6
4
Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|182CC421-1680-4F9A-8B32-36D5C4CC543D
5
Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D460ABB-2910-4BB2-B20F-95F61465BDE3
6
Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F06CD88-D455-4B98-9935-CF58E9705C59
7
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy ho eo an-tànanao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55861474-ADFA-42E8-BDE5-C6A00A05FD4C
8
Ary hoy Baraka taminy: raha handeha hiaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa hianao, dia tsy handeha aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1A4E7B9-958B-409D-84AF-069762AA5ACF
9
Ary hoy kosa izy: Handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A102639-8994-48DA-9386-D24ED3940C5B
10
Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFA621C0-2220-46FE-9304-F0646F6C46FB
11
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izy eo anilan'i Kadesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D1423C5-2C01-4287-926B-DC6E8A922388
12
Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|685CD080-F8C6-4E30-9575-BAD68794A1EB
13
Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC1646D4-D1B2-4D53-AA7A-92C557A5E648
14
Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tànanao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35714EA4-D65B-40BF-B279-7F2B670E6FBA
15
Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny Kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|348654AF-CEDF-48BE-B6DB-EB6BC8015AA0
16
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A113157-6466-40BF-8682-BF6CFA254ADB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany