Rota 1: 15-21

Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4051138A-F375-49B9-ADB1-46E5ABF17687
16
Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA62464C-D807-4713-AF84-DBE9F9046539
17
izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02961C7E-8ACC-4A4D-8067-AC0C998E208C
18
Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2217466B-7467-42D9-9AC8-44F673312B3E
19
Dia nandeha izy mianaka mandrapahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B3EFC5-43DF-4AD9-8ABD-CB351416E37B
20
Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|887ACB43-0152-4D68-8235-F2A5258CAB73
21
Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsanga-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa mampahory ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4901EE-E214-4C33-95D4-E96C3ECE8426
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany