Andininy Protestanta Malagasy 8 Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy hianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie hianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A1D2F6-95AC-4CAA-A1A1-98E9740ADE96 9 Homen'i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC16C259-91CD-437A-8372-351EE801CEE5 10 Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A012086-5B38-473E-9CDA-3B73C913F19F 11 Fa hoy Naomy: Miverena ihany hianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko hianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C34874-79B8-4C13-A738-962592064DDE 12 Miverena ihany hianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|843ADB9C-7664-40ED-9205-F7519EDA89FE 13 moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va hianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny t.nan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3933E7EF-A8D5-46C1-8A2C-EA5D5425DB75 14 Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849BAF80-975F-486F-A677-1D81376FFA2D 15 Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4051138A-F375-49B9-ADB1-46E5ABF17687 16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA62464C-D807-4713-AF84-DBE9F9046539 17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02961C7E-8ACC-4A4D-8067-AC0C998E208C 18 Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2217466B-7467-42D9-9AC8-44F673312B3E 19 Dia nandeha izy mianaka mandrapahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B3EFC5-43DF-4AD9-8ABD-CB351416E37B 20 Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha tamiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|887ACB43-0152-4D68-8235-F2A5258CAB73 21 Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsanga-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa mampahory ahy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4901EE-E214-4C33-95D4-E96C3ECE8426 22 Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|193DA3D8-A1E6-4BC1-89C8-C1FB3780FB7A
|