Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|858DA10E-D347-4F3F-BE8A-22D504EC99C2
2
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|393AE22E-4C98-41C9-A21D-E2BC215744FD
3
Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31FA078E-D5CC-41C8-B4B3-DD3CABA76C86
4
Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78652DC7-14D6-445E-AE7E-148915148CA9
5
Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2FF9D67-0F46-40EE-AB68-793233384E20
6
Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27424C2C-A2DC-416F-BF66-E8630DCAAA81
7
Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3A2B376-3BD3-4034-8B3B-7E5F1307BAE8
8
Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany* tamin'ny lelan-tsabatra.[Heb. nataony herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34E7007C-791B-4BA7-8293-9C4C07647DE0
9
Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana* ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany* ihany avokoa.[Heb. hatao herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D470C089-C76D-4E4D-A1A2-14384170F5FD
10
Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F554E5C-6D8B-4BCB-93F8-41DD7314D77F
11
Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D69A7315-244E-470D-B864-45D51612F10B
12
Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2699F7CB-D602-43C0-B6BE-E9D51D972FBE
13
Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2FCAE51-31F1-4018-9C16-550F7238916A
14
Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6340540-6252-4AAA-882E-3AC12B3BE0FB
15
Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay* ihany avokoa.[Heb. nataonay herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3970B91C-9F83-48E6-A4DF-63244AE25984
16
Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|783863E1-76DE-4792-B23B-6E9324DC86DA
17
Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DDBA045-6EFC-4EC5-B714-699464AECC41
18
ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31F2D4C1-2529-43AE-ABDA-442E3F958DD6
19
Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A073DF70-D60B-4050-9990-36F33603E733
20
Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|626F87A3-6626-4B02-8A42-FD93B424BB04
21
Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC974371-BA24-43AE-AEE9-38F708494A6E
22
Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC88B32-B449-4112-881A-955CCB5F5B75
23
Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3766C5B1-EB7D-458A-B95A-8AED685C4ED0
24
Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEA43197-3642-4445-87FA-518E607FB0EA
25
Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F806EB23-B53E-4DEF-940D-2EFFA4E318B3
26
Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C1AD08E-8C02-4D43-A3E3-97FB24E3B049
27
Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E76A202-AB68-4BA9-AC61-80FF844CA7AF
28
Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B359626-AAAB-434C-B90D-7F2DBE2C9962
29
Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A50C7163-2668-4DAC-B7EF-A0FEFD8DEF5C
30
Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAB432CA-88C9-44AE-8023-3BCA4A3764EC
31
Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615982E0-9EDD-4043-900E-C6D05E46E0CA
32
Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|951B456D-0C04-4C10-8657-1DF63A388CC6
33
Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B2E0251-D19D-4187-A1F5-24FDF4EE4769
34
Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECF9446E-825E-40A5-ACA7-A0FBD1CC753A
35
Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6E7A4D0-E36D-4B12-8CCB-09141E6805C9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany