Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE65A8E6-EC83-4002-93BC-9C6EE566D2DE
2
Ary nony efa azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCD6001E-F36C-484D-85F6-A6C9B4B2FA0A
3
Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|178C37E0-D84C-485C-A286-7757C37F78FF
4
Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E62FBCD-88C0-4C33-AE0C-D81EB1E209CC
5
izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran'i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2889D424-76F6-4C7F-B7AE-54F57DAFE1EE
6
Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8538925-C50B-4038-983B-EB025A5F2A01
7
Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5449EB2E-43F5-4DAD-B834-A3D3E4B6B108
8
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0F0213D-AA66-4514-946B-2368F1F62610
9
Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F2ACFFF-282C-4A8F-A717-85DEE1613CDB
10
Ary dia naterin'ny olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny olona ho aty amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF815A76-3EF1-4C92-B385-5F2FDE90AACD
11
Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F968CB7-FE25-482F-BAE9-E41AA780E419
12
Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|988A9338-DDFB-4464-B699-C4152C098F62
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany