Andininy
Protestanta Malagasy
6
Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E59EB4A1-1181-4434-99A5-94B532C6AAA6
7
Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7F3C9F1-7D45-423C-8BB4-E3C2589AD676
8
Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ABED73F-7C00-4C89-B8E5-B07492DE9589
9
Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C09710A-C6BB-493E-8134-24D31F0B5232
10
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBC4E4B6-F565-4168-8751-AB92EC2CD0A9
11
Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733BE1E4-721D-43DF-9CAC-9631C136AB93
12
Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary aty anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|320E8AF0-8362-48D4-8D8B-8D5D5B53388E
13
Ary nasain'i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|726B8F42-4C21-4DFE-81AE-A2AAF4154A51
14
Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|898BBE69-11D9-4C0F-B603-57814B3C9676
15
Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9134DEDD-DD31-475F-BE05-0CBEFFE8756D
16
Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany misy lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4BBA94B-EE33-4F6A-964A-2A31566BDEB4
17
Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|105E72E9-2CA1-4B1F-BB48-E45683E62DBD
18
Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|599BF665-EAD0-4EB0-8882-5807603681F2
19
ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B82FA47C-B9FA-4AFF-8140-3C2978E5F9FF
20
ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|810DC387-EACC-489E-A059-D5B10A2A4F20
21
Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary* taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.[vato amboniny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D578B77-D11A-4492-BA72-727B814FD1EB
22
Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0669E396-6312-41BA-A1DB-E951FFC0DE6D
23
Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D30546A-93FF-4340-A311-FE8190987861
24
Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF3B7117-ABBC-4391-88E1-F84C316587F9
25
Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0A92061-02C8-44EA-8334-088EB8DFDD6A
26
Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F27CBD7D-B8EE-479F-AC5C-42E8A0740273
27
Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E3F1437-8001-4C35-A8D7-E5986B9D0B85
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany