Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8BFB8E2-3868-42E1-8C4F-CD4F54D6C327
2
Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFED5074-5AA7-4B35-BFC9-D1174F8C6DB7
3
ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9639FC94-F851-4612-92DE-E19CB4D64E38
4
Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B72857-6C68-4F73-BE27-FD1F71923862
5
Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AD00B91-ED7C-47ED-B2C7-59D4C605605A
6
no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F01051AC-45EC-45A9-8AA1-E7202BC7447E
7
Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F826D4B-1988-43FE-AD56-B065A9DDDD1A
8
Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala*, zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5912DBC1-E573-45B7-ABAE-72FA9226ECD6
9
dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20E3E12E-7A7E-464B-BE01-E21B158BC05D
10
Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AC9C26E-131E-48E3-A2B9-82A724CE7EED
11
Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4E922A9-171F-4103-A4AC-674762AA2593
12
Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D97430D-14B0-42AD-82C5-F03F4290DF26
13
Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F547F6BE-CCC5-4776-BC82-A9DED8EA2864
14
Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAE25B8A-4150-4306-92B7-EFE28D4F08C9
15
Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6DA08F-012C-45DA-A22A-ED30B144B265
16
Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|556E34DF-EAF7-4B42-9C8E-11F5B6A17D40
17
Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2EB1E9F-2EE4-4F90-94EF-A45697FBCFF2
18
Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D33C22C9-87A2-4E50-96D0-7B172F69CC17
19
Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita*, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42D5B826-E9D5-4CB1-ADDE-387A54C0F7A4
20
Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B575DD7-27F8-42E7-B30A-2C4AF7FC6051
21
Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E67789-C9F6-4746-902A-3F329753D04E
22
Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99EC03D5-813B-4292-B22B-FA31192F5334
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany