Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|177CF459-EEF6-4548-8C0C-C8DD15E5C5DC
2
Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB1EE3BC-7B78-43FF-88A6-56BE2F64BBCD
3
Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01664EE1-AC67-4329-ACE6-D2E0D87F0B81
4
Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5513E64-0D1F-45E8-9435-A4B91FC43D90
5
Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CECFF68-FAA7-436C-AEE0-BF907F902425
6
Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B60FAB73-AFB4-43C3-B144-AE3F20C7B38F
7
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB611859-59A8-491E-97EB-4E1569E9B770
8
Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B475F08-266E-49A2-83F2-FE9E4F4BD79F
9
Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina aty amiko ny fiaran'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04DB4783-A1DF-45A7-A1CC-E0A77D440C49
10
Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|756E3CBF-18F3-4C61-A81C-AC57A1B8202B
11
Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|645044D8-53ED-4593-9E41-FA8626A100A8
12
Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E30E939-857F-496F-B0F5-7EEB1C12EB79
13
Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C8F7EB3-3674-4BBE-B109-667BAB53693F
14
Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39BFBBEA-4FA5-4178-86D4-499F6A316400
15
Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B50C17F-6A7D-40AB-AE27-24FEAEF7F31F
16
Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F3B014-1CB4-46D7-A8D5-384BCE97ABBC
17
Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1C4A898-824C-4D63-AD11-13916F87CCCC
18
Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09EDEBE9-8985-4355-B07B-45E974CFB4A8
19
Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931F3826-00C2-43D6-B757-86BB279E0C3A
20
Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B8F748-E1AC-4A03-BE76-A2C2CC9FEB27
21
Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CAB6E57-AED4-42F1-8C58-5B666CE984E0
22
Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2197D270-08C5-45AB-A8C9-1E5B85F64186
23
Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5625957-07F6-493E-B1AC-0365E0DF0693
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany