Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DC80DE1-81AE-4EE3-9F15-1BBD3B865BDE
2
ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC25B27-FA73-4ADF-803F-652CD86D6233
3
Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFAC7094-AC9D-4B14-92B3-862ABF0A1667
4
Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEEF84E4-0591-497C-B7F3-67DA9CA4CE21
5
sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao* an-tranon'i Jehovah, dia talanjona ter? izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny tao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D2EB8F-378D-4B6B-B015-FC1884E05281
6
Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1812C29D-C730-4206-B83A-8C6BBB022E71
7
kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C077CFF9-6AF2-47B5-A451-61390077B880
8
Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10557CE8-8638-4345-AD14-DF7D2DAF21A8
9
Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDBE19D7-AEAA-4F1C-93FD-BA2B50138D7A
10
Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0F73B00-A69C-4C81-AB96-D9FA1A67F53E
11
Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834AD134-90C4-47E7-A10B-CF341C44C70E
12
Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B7696B0-FD64-4645-9093-CE54567D89FF
13
Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43BD9239-CC5E-4CB4-A5DD-8B0F70176082
14
Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2010FA-C73B-45E6-912C-A7493046168D
15
afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B26D3E7-23E1-471E-A693-397E85928AAE
16
Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09A00EB4-B1FB-4294-9F27-C7ABADBBBBA3
17
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B301877A-4A34-426C-B2E5-2D8EE094EC20
18
Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B146AA7A-394D-4224-8574-DB39B83D8879
19
Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E06F562C-2F2C-441F-B4AE-2D5F484D51FD
20
Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0463E3EC-96AB-4F54-9D78-F5DB29A53778
21
Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CEAC208-B95C-498B-B548-3A9A48F27B2A
22
Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|457F2AC8-2FF3-4676-A8AE-38016F5020FC
23
Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E44AFDD-9F04-473B-8A26-0F875C75FB66
24
Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F68E0F-F3FA-4FCD-B446-58B026F1A811
25
Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90BA5DDE-399C-4CAC-9411-4A5750DE8F87
26
Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43758A61-0139-4B9C-9B52-225235681451
27
Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8B45C58-4CC1-4537-86F3-A7C2C51F56E3
28
Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BCD5397-D10D-4E2C-9780-8473D67280F4
29
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C406EC3-1968-4F3E-A99A-6BBDC08C1547
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany