Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D46050-6D10-4D2F-88C7-562724A40CFC
2
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17927224-ED39-4C19-974B-6840CA594AE0
3
Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6A4989B-AF1F-406F-B24D-264B564D5EDD
4
Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty* iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EBC5F21-F2A3-4B3E-8AF2-DC64FAF0531B
5
Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8135D45B-AF5B-4D50-A653-2025BE1CADC2
6
Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E23162C-4FAD-4F14-A440-E11F8A563BFE
7
Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DC03C5C-F424-4C52-BB71-23ADF59FD2C1
8
Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano aty aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37369870-5834-4133-B9F2-A8A72909A8BA
9
fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12C88B77-727E-43EA-9F21-6733D57D523E
10
Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99D5547D-C314-45AD-B624-A63EC6D37A81
11
Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B320B06-C08D-4DDC-BBE6-9755460A938D
12
Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E53C19F-C30D-43FB-9011-C55803EB5B76
13
Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C301CEC-19D1-448F-81DD-624B45240956
14
Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59960C1C-9A6A-43B7-9A70-B9ABAB8FDF5C
15
Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56C074C9-2D94-47B0-9FFF-400E5A701E4F
16
Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao aty aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|951F14E3-4223-411D-AF8B-837954573F38
17
satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F8015EF-F522-4109-95F2-FB6ED3DDF858
18
Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|573938E4-B137-4221-83BD-EB06C8BF0C80
19
Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C54E8948-9C3F-45AF-92F2-31B0775829FD
20
Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC0AB803-2D91-406B-A38C-16002F2AE33A
21
ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE053EDA-698C-47A6-A6C6-EEC7CB7EA161
22
fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34145433-18B3-463D-9A17-E8D3B183D9DD
23
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0B2AE2A-A712-4D38-BB73-BDFD1672C195
24
Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05CAC16F-BA2A-482B-815E-699C66869935
25
Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AB53EA3-10B3-407A-8BB4-864F09FAEC90
26
Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58BD85F5-E7CD-4452-B8FD-3EC7A3F2202D
27
Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB02D5A1-8632-4E4F-A76A-1AF1949FDE89
28
Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D9AAF2-FE9F-4F7C-8908-36AFB970C2B3
29
Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C1D8E52-DD98-415E-84B6-C9F2EAFBEEB2
30
Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D51FC8D-2727-45FD-895D-ABAA7C82A12F
31
Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|532D81E7-F8DC-4517-AD3A-4A6CD76DCF4A
32
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92769F4A-4A0A-4D82-B555-0ABEFA32CB63
33
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany*, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9BCD7CD-0A69-488E-88AB-B3B588F74CD7
34
Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B75734C5-D49D-4CFD-9989-B2B737AA7A40
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany