Andininy
Protestanta Malagasy
26
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6590AEA0-422F-47E9-89DD-4AD0C7E421A3
27
Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14C54B48-C8AD-4137-B9B7-05B2252D7C0B
28
Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA4F581-CCFD-48C3-9C74-F12852767500
29
Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB34D40D-B988-44FA-9084-C83CAA24B81B
30
noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64B9F45A-B77D-419D-9561-C80006A2A501
31
Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCD76935-D54D-4515-95DA-0C0943885221
32
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F602EF98-9F07-4460-A5A8-D09FA3011D8D
33
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B81D891B-9219-4C8B-93AA-3940FC9ACAC4
34
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9894D3C-E957-4287-B3D9-A7A1222AAF3F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany