Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C9EE1C-FA21-4802-8C08-F49BAE67C17A
2
Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F913DB82-ECEA-4A14-AD33-B0BA9FC077DD
3
Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52FEC06-2ABC-4BB7-966C-DB7DDCC4ACC3
4
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy* anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BFD6824-30E5-4230-B0C1-63BBBAC81C10
5
Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EAE8EC-7032-49A4-85CD-42C8B0E2353F
6
Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156597C7-E6B8-4A74-93D6-E5A38B5F5DA2
7
Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695EA4A5-F3F9-43CD-9552-49575F2CFB9D
8
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1CFF340-6596-4391-9C9E-AAA2ABBC0294
9
Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona aty ianao, ry Elia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A1C1232-BDDE-4986-94F3-F7AAFB996D0F
10
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D93BDD0-FEA7-4037-B986-7E07AFCA6F3C
11
Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A133E691-E5A4-4351-B3EE-5505A40A02C9
12
ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|472CCE43-5FD0-4CB2-9397-86EDF076263B
13
Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona aty ianao ry Elia ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|099445F4-6041-49F2-893F-50EFE1F4800C
14
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|657EEA64-3C86-47EE-80DF-46AA21042F40
15
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE580BB3-FFC6-4836-AC88-238E9A6FA954
16
Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B2A6622-FDC6-4EB7-B715-35AA596943EE
17
Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E452ADA8-FE67-4BC6-B9CD-8897597FEC78
18
Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E7E8B0-67F9-40EF-8727-F1C74CD66139
19
Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C843B6C-9FFA-4DF7-9AE1-212BE1B42F5A
20
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F2638FD-1840-46E8-8631-056200830672
21
Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9184427-D805-494F-B049-E5FF9E1E5390
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany