Andininy
Protestanta Malagasy
14
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|657EEA64-3C86-47EE-80DF-46AA21042F40
15
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE580BB3-FFC6-4836-AC88-238E9A6FA954
16
Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B2A6622-FDC6-4EB7-B715-35AA596943EE
17
Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E452ADA8-FE67-4BC6-B9CD-8897597FEC78
18
Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E7E8B0-67F9-40EF-8727-F1C74CD66139
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany